MITADY ANAO
Nampidirin'i samoana | 12 Jio, 2006MITADY ANAO
Ô ISA E ! Ô ISA Ô !Isak’izay manirery any aho
De mila anao ô !
Ô ROA E ! Ô ROA Ô !
Doblety hifanakalozan-kevitr’e
No andeha hatao ô !
Ô TELO E ! Ô TELO Ô !
Triplety mahay mifanaja koa
No be mpanao ô !……
Alohan’ny hilalao
Aza adinonao
Fa mila hafanaina
Ny vatana sy saina
Ny Kanetibe:
Na fialam-boly tsotra
Na koa « compétition »
De fitaizana tsara !
…Izay no tiako ambara
Samoana
(cf sary 3,4,5)