Vôkansy

Nampidirin'i samoana | 22 Aog, 2006
Samoana
Nofy sisa !!

Lefijo sy samoana

Nampidirin'i samoana | 13 Jio, 2006

RNS VICHY 2006- Fijo sy samoana mianaka

 

- Inona no toerako

Leitsy ry Samoina

Mpitifitra va re

Sa mpanasery jeu ?

~ Vatovato ity Rafijo

Tsy azo anaovana rabay

Pointera elà no mety

Mampinono ireo kanety !

- Elà izany no milieu

Manarinarina ny lesoka

Samoinakely aleo tireur

Fa lery ‘zao no meilleur !

~ Okay Rafijo ! Raikitra e !

Atsipazo ny bouchon…

…Boaikely !! Ao tsara ve ?

«  ça va Papa ! On peut commencer… »

     Samoana

(cf sary6)

MITADY ANAO

Nampidirin'i samoana | 12 Jio, 2006

MITADY ANAO

Ô ISA E ! Ô ISA Ô !

Isak’izay manirery any aho

De mila anao ô !

 

Ô ROA E ! Ô ROA Ô !

Doblety hifanakalozan-kevitr’e

No andeha hatao ô !

 

 

Ô TELO E ! Ô TELO Ô !

Triplety mahay mifanaja koa

No be mpanao ô !……

 

Alohan’ny hilalao

Aza adinonao

Fa mila hafanaina

Ny vatana sy saina

Ny Kanetibe:

Na fialam-boly tsotra

Na koa « compétition »

De fitaizana tsara !

…Izay no tiako ambara

Samoana

(cf sary 3,4,5)

ARAHABA

Nampidirin'i samoana | 12 Jio, 2006

Miarahaba ny namana tsy an-kanavaka

Voakitikitiky ny fifandraisana maoderna ny tenako dia indro koa tonga mba hizara masaka ho antsika namana.

Fanatanjahan-tena sy fialam-boly samihafa no hameno ito blaogy ito satria ireo no mahafinaritra ny saina sy lavitry ny sorisory.

Manasa antsika hiaraka hitsikitsiky aza ô !

Samoana

FITIA VAO NITSIRY

Nampidirin'i samoana | 12 Jio, 2006

FITIA VAO NITSIRY

 

Andro takariva

No nahalalako anao

Tany Montpellier

R’ilay Kanetibe

 

Taona roa arivo

Nanatrika lalao

An-dry Jean-Jacky

Ka tena nankafy

 

 

Io Ranamana io

Nandritry ny ora maro

Nitifitra tsy niato

Kanety efa aman-jatony

 

 

Ny nahatalanjona ahy

De i Samoinakely

Tsy nanakipy maso

Hatr@ roa maraina

 

Variana sy nijery

Nitehaka, nihoraka

Vao 8 taona monja

De babo ilay kilonga

 

Samoana

(Jereo Sary 1, 2 )

Tonga soa Samoana!

Nampidirin'i samoana | 12 Jio, 2006
Ity no lahatsoratra voalohany ao amin'ny blaoginao. Azonao fafaina na ovaina ao amin'ny Toeran'ny mpandrindra ity lahatsoratra andrana ity.
Misaotra anao mampiasa ny Blaogy.